Fitaterana an-tanety: Fivorian’ny tompon’andraikitra manoloana ny olona teny amin’ny Fasan’ny karana
13 Febroary, 11h00. Mahakasika izay ho filoha ny tobim-piantsonana vaovao dia nivory ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministera sy ny ATT ireo avy ao amin’ny KMMT ny talata teo manoloana ilay filoha ny tobim-piantsonana vaovao niteraka savorovoro teny amin’ny Fasan’ny karana. Tapaka nandritra izany fa i Rakotondrafara Fredinard no ho Filoha ny KMMTF, izay ampian’ny filoha mpanampy miisa enina misy an’i Randrianarimanana Rojo Mario (COTRANSMA), Razafindrabe Fréderic (CRISTAL TRANSPORT), Randriaparany Martin (TRANS MANEVA), Rakotoarivelo Velomanatsoa (KOPFMM), Razafimanantsoa Vincent de Paul (TANJONA), Rakotondrafara Fredinard (BESADY).
