ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nisy fiaramanidina voahitsaky ny fiaran-dàlam-by tao Los Angeles

Toy ny sarimihetsika ity tranga niseho tao Los Angeles ity. Fiaramanidina mpizaha tany iray no nianjera teo amin’ny làlam-by iray. Lehilahy tokana ihany dia ny mpanamory no tao anatin’io fiaramanidina io. Naratra mafy izy ary tsy tafavoaka ny fiaramanidina nefa nisy fiaran-dàlam-by tamy nanantona ny fiaramanidiny. Mpitandro ny filaminana teo an-toerana no nanampy azy nivoaka fiaramanidina 5 segondra tsy hanitsahan’ny fiaran-dalam-by ny fiaramanidina.Rehefa natao kosa ny fanadihadiana dia fantatra fa maty ny moteran’io fiaramanidina io rehefa nikasa hihazo ny seram-piaramanidina. Indroa nitsoaka ny fahafatesana io lehilahy io, 70 taona, hoy i Robert Sherock, iray tamin’ireo polisy nanavotra azy. Marihina fa voarakitr’ireo manam-pahefana ireo horonantsary ny tranga.

Laisser un commentaire