Suisse : Iza no tena namorona ny « gel hydroalcoolique » ?
Mpitsabo areti-mifindra sy « épidémiologiste » i Didier Pittet. Manam-pahaizana manokana momba ny fanadiovana tanana sy fifehezana aretina izy, ary nahalala tamin’ny taona 1995 fa mahomby kokoa amin’ny ady amin’ny aretina ny fampiasana vokatra « hydroalcoolique » noho ny fanasana tànana amin’ny rano sy savony.Izy no nampalaza ny fampiasana ny « gel hydroalcoolique » saingy tsy izy no namorona azy. Olon-tsotra no nanamboatra ity vokatra hampiasain’ny olona eran-tany amin’izao fotoana ity. Lehilahy iray antsoina hoe William Griffiths no namorona azy. Farmasianina ny tenany ary teraka tao Liverpool. Nifindra tao Genève izy ny taona 70 ary tao amin’ny hopitaly Fribourg izy no namorona ny « gel » vita tamin’ny alikaola voalohany ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana tao an-toerana.Niverina niasa tao amin’ny pharmacie izy rehefa niala tao amin’ny hopitaly, ary nanohy nampiasa ny vokany ny hopitaly saingy tsy nanana « brevet » izy ka tsy nanana zo ara-bola tamin’ny tombony azo tamin’izany.
