Efa nentina nody teto Madagasikara ireo teratany Malagasy tratra tany Comores
13 Janoary, 09h00. Niala tany Comores androany maraina tamin’ny 8 ny delegasiona Malagasy avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Nijery ny zava-misy mikasika ireo teratany Malagasy voarohirohy tamin’ny trafikana volamena tany Comores. Nampodiana an-tanindrazana ihany koa izy roa lahy ireto ary eto no hitsarana azy.
