ActualitésTsidika

Anosizato Atsinanana: Nanazava ilay mpitsabo nizaha ilay tovolahy maty kendan’ny trondro 

Tovolahy iray, 17 taona, avy eny Anosipatrana Antsinanana, namoy ny ainy, kendan’ny trondro ny alahady lasa teo. Nitondra fanazavana ny tamin’ny nahafatesan’ity tovolahy ity ny dokotera nizaha ny fahasalamany.

« Nisy vombon-trondro tao amin’ny tendany, izay nitarika ny fahaverezan-drà sy ny fahaseporany. Tsy maintsy namorona lalana ivoahan’ny rivotra izahay tamin’ny alalan’ny lavaka kely nasiana fantsona » hoy i dokotera Serge. « Nahazo trondro teo amin’ny dobo iray, eny Anosizato.Nahazo fanindroany ary notazoniny teny am-bavany. Nanohy nisàka hatrany ary nanao an-kilentika. Kinanjo, votsotra ilay trondro teny am-bavany ka voateliny » hoy ny fianakaviany. Tsy tafavoaka mihitsy ilay trondro ary nitarika hatramin’ny fahafatesany. Niteraka resa-be tokoa ity tranga iray ity, ary tao ny nanome tsiny ilay mpitsabo. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire