Manandriana: Nandray anjara tamin’ny asa fanamboaran-dalana ireo mpianatry ny LTP Manandriana
Nifanome tanana, nitondra ny anjara biriky tamin’ny fanamboarana ny lalana ao amin’ny kaominina Manandriana ireo mpianatra avy amin’ny LTP Manandriana. Anisan’ny fianarana ataon’ireto mpianatra ireo moa izay mifototra indrindra amin’ny asa vaventy, ny fanamboaran-dalana, antony natonga azy ireo nandray anjara ho an’ny tombotsoa iombonana tao an-toerana.
“Tena mahavelombolo tanteraka ny mahita ny firaisan-kinan’ny tanora tahaka izao. Tsy niandry tomponandraikitra na baiko izy ireo fa dia niasa, nanao adidy ho tombotsoa an’ny rehetra” hoy I Rémi, mponina ao Manandriana.
“Mila atao fitaratra ny ezaka ataon’ny tanora tahaka izao, indrindra mila fanohanana ihany koa satria vitsy ny tanoa ankehitriny no sahy mandray andraikitra na miandry takalony izay vao manao asa ho an’ny tanindrazany” hoy I Fanilo, mpitarika fikambanana.
Mendrika halain-tahaka ny fahasahiana sy ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Izao tokoa no ahitana fa tsy voatery hiandry tomponandraikitra vao afaka hitondra fivoarana sy fampandrosoana. Ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana no zava-dehibe.
Manitra R.
