CRINFP Mandritsara : Nanjakan’ny kolikoly ny fanadinana
28 Martsa, 14h00. Mbola tsy mbola misy hatreto ny fepetra napetraka tao amin’ny CRINFP taorian’ny fanadinana feno kolikoly momba ny tsy fahatomombanan’ny fitantanana ny CRINFP Mandritsara, Manakiana mafy ny mpiantsehatra, ny mpampiofana sy ny mpiadina sasany.
Noezahina natambatra ho efitra iray ireo rehetra nahazoam-bola raha ny fampitam-baovao. Tsy misy « ordre de tri » mazava intsony nefa ny lisitra fa efa izay nahazahoam-bola no natambatra, araka ny fanamarihan’ireo mpiantsehatra ireo. Tsy nilahatra araka ny laharana fisoratana anarana (numéro d’inscription) ihany koa izany.
