Dépêches

Tolagnaro : Zazalahy kely novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

28 Martsa, 13h00. Henjana ny vokatry ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana, hoy ny solombavam-bahoaka Zafinandro Perle Bien-Aimé. Tsy trano tsy fasana no vakian’ireo tsy mataho-tody fa mbola mifofo ain-jaza ihany koa, hoy izy.

Zaza nandeha nisambotra valala no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-toerana. Nokapain’izy ireo ny hatony, nangalar’ireo jiolahy ny masony roa. Manahy ny amin’ny mety hitsian’ny « salle d’opération mobile » mpanao « trafic d’organe » ny tenany. Miangavy ny tompon’andraikitra kosa izy mba handray andraikitra fa mijaly ny vahoaka.

Laisser un commentaire