Rallye ASACM 2022 : Nisafidy ny hiala an-daharana ny Equipage Faniry sy Mahents.
20 Jona, 13h00. Tsy afaka nanohy ny fifaninana intsony noho ny sotasota nataon’ny olona tsy fantatra ny fiarakodia 208 T16 noentin’i Faniry sy Mahents nanditra ny alin’ny sabotsy hifoha alahady tao anaty “Parc Fermé”. Voamarina fa nisy zavatra nitranga tokoa tao amin’ny » parc fermé » ka nahatonga ny mbola tsy fanombohan’ny fifaninana ora vitsy izay. Nitohy ny lalao fa kosa tsy maintsy niala andaharana i Faniry sy i Mika Rasoamaromaka. Voalaza fa mety anisany ny antony nosotasoaina azy ireo ny fitarihany amin’ny laharana vonjimaika nandritra ny roa andron’ny fifaninana.
