Islande : Mikasa ny hanao fanentanana ny orinasa farany mihaza trozona ao an-toerana
Rehefa nijanona telo taona teo amin’ny seranana ny Hvalur midika hoe trozona dia nanambara fa hanao fanentanana amin’ny fihazana trozona amin’ity fahavaratra ity. Marihana nefa fa efa manam-pikasana hanafoana tanteraka io fanao io ny governemanta. »Tena manam-pikasana hidina an-dranomasina mihitsy izahay ary efa miandry anay ny trozona » hoy i Kristjan Loftsson, talen’ny Hvalur ary manam-pahaizana manokana amin’ny fihazana trozona vombony.Tsara ho fantatra fa manana alalana amin’ny fihazana trozona i Islande. Ity farany, Norvège ary Japon irery ihany no firenena mahazo manatanteraka izany ary mbola manohy izany na eo aza ny fanakianana ataon’ireo mpiaro ny biby sy ny tontolo iainana.
