Belgique : Mikendry ny toeran’ny olona tanora indrindra mpanamory fiaramanidina hahavita hitety izao tontolo izao ihany koa i Mack Rutherford
Taorian’ilay tovovavy 19 taona monja belgo-britannique, Zara Rutherford nitety izao tontolo izao irery tamin’ny famoriana fiaramanidina dia mikasa ny handresy azy indray ny zandriny Mack Rutherford. Avy amin’ny fianakaviana mpamory fiaramanidina moa izy mianadahy ireto.16 taona monja i Mack Rutherford izay belgo-britannique ihany koa ary mpanamory fiaramanidin’ny ULM. Niainga tao Bulgarie izy ny alarobia teo saingy tsy maintsy nanova ny lalany manoloana ny ady ao Ukraine. Tsy handalo an’i Russie ihany koa izy hoy izy, avy hatrany dia hisidina ao Pakistan, handalo an’i Inde, Chine, Corée du Sud, Japon alohan’ny hiazony an’i Etats-Unis.
