SportTatitra

Arabie Saoudite : Fandresena ho an’i Max Verstappen

Tontosa omaly ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany amin’ny Formule 1. Nivoaka ho mpandresy tamin’izany i Max Verstappen (Red Bull) rehefa avy niady mafy tamin’i Charles Leclerc (Ferrari). Fahatelo i Carlos Sainz (Ferrari). Fahaefatra i Sergio Perez (Red Bull), izay niainga teo amin’ny laharana voalohany (pole position) rehefa ratsy vintana teo amin’ny fanoloana kodiarana. Fahafolo kosa i Lewis Hamilton (Mercedes), izay sahirana tanteraka tamin’ity dingana ity.

Herimalala Ratsimbazafy

Laisser un commentaire