Etats-Unis : Olona telo maty noho ny fifampitifirana tao amin’ny faritry ny Oniversiten’i Virginie
Lehilahy mpianatra iray ao amin’ny Oniversiten’i Virginie no voarohirohy ho nanatontosa ny fifampitifirana niseho tao amin’ny faritrin’ny teoram-pianarana ao Charlottesville ny alahady teo. Karohina fatratra ao Etats-Unis io lehilahy io amin’izao fotoana ary nofaritan’ireo manam-pahefana ho mitam-piadiana sy mampidi-doza.
Olona 3 no maty nandritra io fifampitifirana io ary 2 kosa no naratra. Taorian’io tranga io dia niantso ny mpianatra hitandrina ny tolo-kevitra « mise à l’abri » ny filohan’ny onivesrsite, Jim Ryan. Misy kosa ny fanohanana ara-tsaina ho an’ireo mpianatra niatrika ny tranga tao an-toerana.
