Tanora: Ny tsara no tokony ho atao sy hanaovana tsalenjy
Nanome fampitandremana ny tanora manoloana ny fanaparitahana sary mamoafady ny Zandarimariam-pirenena. Sazy roa hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina miampy lamandy 2 tapitrisa hatramin’ny 10 tapitrisa no ho azo. “Sazy ho an’ireo mampiseho na manaparitaka na mizara na mamoaka sary na fanehoana an-tsary mamoafady. Ao anaty tambajotran-tserasera na aterineto na fitaovan-tserasera izany” hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. “Anarinay ianareo fa zanakay. Ny fianarana aloha himasoana ary atoavy izay hahatafita sy hifaninana” hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena mikasika ny cybercriminalité. “Mampalahelo ny tanora amin’izao. Tsy ny toetra tsara no hifaninana fa ny ratsy. Manimba ny ho avy anefa izy ireny ary mila ialàna” hoy i Rondro, renim-pianakaviana naneho ny heviny tao amin’ny facebook. Tsy hitondra makaiza tokoa ny fanehoana ny ditra. Ny fianarana sy izay tokony hampandrosoana ny firenena no tokony hoheverina.
Nicole Rafalimananjara
