Jirama : Antenaina hamaha olana ireo fitaovana vaovao ho an’ilay vata mpanova herinaratra
Tonga tany Andekaleka tamin’ny herinandro ireo fitaovana rehetra ho an’ilay vata mpanova herinaratra vaovao. Entina hanoloana ireo fitaovana nisy fahamaizana ny alahady farany teo ireto fitoavana vaovao ireto.
« Andrasana ny andiany roa manaraka hanampiana ireto fitaovana ireto. Isan’ny tena mamaha ny olana amin’ny famokarana ny herinaratra ireto fitaovana ireto. Mila folo andro eo ho eo ny fametrahana azy vao hiasa tsara izy » hoy i Radanielina Rivo, tale jeneraly vonjimaikan’ny Jirama. « Mila kaontenera manodidina ny 17 ny fitaterana ireto fitaovana ireto miala any Toamasina. Inoana sy hantenaina fa ho voavaha ny olana » hoy ny tompon’andraikitra.
« Tena efa betsaka ny nitaraina mikasika ity jiro tapaka matetika ity. Tena vahaolana sy mamaha ny olana tokoa ve ireto natolotry ny fitondram-panjakana ireto » hoy i Fetra, mponina eny Itaosy, nanontany tena.
Nisedra olana ny Jirama tamin’ny fahamaizan’ilay fitaovana. Efa azo lazaina ho vahaolana ireto fitaovana ireto. Azo Inoana ve ny tsy hisian’ny fahatapahan-jiro intsony aorian’izao ?
Nicole Rafalimananjara
