ActualitésTsidika

Toetr’andro : Ho avy ny orana amin’ity herinandro ity amin’ny faritra maro eto Madagasikara

Efa tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika ankehitriny izay fotoana ahitana fiovaovan’ny toetr’andro matetika loatra. Indraindray mafana be, indraindray mangatsiaka tampoka ary misy erika, indraindray ihany koa mety orana be. Ilaina fiomanana hatrany izany ka nilaza ny avy ao amin’ny sampanaa mpamantatra ny toetr’andro fa hisy fiovana ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity.

« Hahazo oram-be mivatravatra ny faritra andrefana sy ny afovoan-tany. Ny any amin’ny sisiny atsinanana sy ny faritra Anosy iny kosa dia orana arahina rivotra mahery. Mbola tsy anaty sokajy na rivo-doza anefa izany fa mbola fahavaratra tsotra saingy mila mailo hatrany satria mety ho mafy ny heriny », hoy ny avy ao amin’ny Foibe Mpamantatra ny toetr’andro.

« Mety hahatratara hatramin’ny 55km/h ny fitsokan’ny rivotra ka hanano sarotra ny lakana kely ny handeha; Mba hisorohana ny loza mety hitranga dia angatahina ireo mpiandriaka mba hijanona aloha satria mety hanimba ny fitaovana ary mety hamoizana aina izany », hoy hatrany ny fanazavana.

« Rehefa fahavaratra toy izao dia mihena hatrany ny vola miditra noho ireny loza voajanahary ireny. Mamboly ihany fa ny tany moa aty tsy dia mamokatra. Ilaina angamba izao ny mba mamorona asa hafa fa ilay vola hanombohana mihitsy no sarotra tadiavina » hoy i François, mponina ao Tolagnaro.

Marihina fa mbola tsy fotoana hisian’ny rivo-doza izao raha ny fanambaraan’ny ivontoerana mpamanatatra ny toetr’andro saingy mila mivonona hatrany amin’ny loza rehetra mety hitranga. Mila mivonona hatrany ihany koa amin’ny fiarovan-tena rehetra rehefa hivoaka ny trano mba hialana amin’ny mety ho tsy fahasalamana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire