ActualitésTsidika

Viliahazo : Lasan’ny Hazovato ny « Coupe omby »

Tontosa soa amantsara ny faran’ny herinandro ny lalao famaranana, tamin’ny taranja baolina kitra « coupe omby », tao amin’ny kaominina Viliahazo. Ny ekipa Hazovato no nandrombaka ny amboara nandritra izany lalao izany. Nandray anjara tamin’ny lalao ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny brigady Sabotsy Namehana.

« Nahafainaritra ny lalao. Hisaorana feno ireo mpikarakara sy ny mpandray anjara rehetra. Hitohy hatrany ny ezaka ho fanatsarana sy fanomezana sehatra ny fanatanahan-tena eto amin’ny kaominina » hoy  ny avy ao amin’ny kaominina.

« Maro ireo tanora mpitia fanatanjahan-tena toy ny baolina kitra no maniry handray anjara amin’ny lalao fifaninana tahaka izao. Hangatahana ireo tompondraikitra isan-tsokajiny mba hanome sehatra ny sokajin-taona rehetra” hoy i Bona, mpanao baolina.

Ilaina ary tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanohanana sy ny fanomezana toerana ny fanatanjahan-tena. Anisan’ny mitaiza ny ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahin’ny tanora ny fanatanjahan-tena. Tokony omena lanja sy vahana hatrany izany. Indrindra mampiala voly ho an’ny rehetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire