Analamanga: Nanatanteraka fitsirihana ny asa fanamboaran-dalana ao amin’ny RN4 ireo teknisianina ao amin’ny faritany
Ny faran’ny herinandro no nandeha teny ifotony, nanatanteraka fitsirihana teny amin’ny asa fanamboarana ny lalana rari-vato ao amin’ny lalam-pirenena faha 4, izay mampitohy ny renivohitra amin’ny kaominina Ambanivohitra Ambohitromby, distrika an’Ankazobe, ireo teknisianina ao amin’ny faritra Analamanga. Ity asa ity izay nosahanin’ny avy ao amin’ny faritra Analamanga.
“Araka ny fitsirihana izay nataon’ny ekipa, dia efa vita ary azo ampiasaina avy hatrany ny lalana rari-vato izay mirefy 1000 ML ity. Ny avy ato amin’ny faritra Analamanga dia hanohy ny asa fanamboaran-dalana hatrany any amin’ireo faritra hafa” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny faritany.
“Tsy afa-misaraka amin’ny asa fampandrosoana ny asa fanamboaran-dalana, izay hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany. anisan’ny manampy betsaka ireo mponina amin’ny fifamezivezena sy ny fitaterana vokatra ny fahavitan’ny lalana tahaka izao” hoy I Laurent, mpitondra fiara vaventy.
Zava-dehibe tokoa ny fahavitan’ny asa tahaka izao. Ny fanentanana tokony hatao manoloana izao ihany koa ny fanentanana ny mponina na ny mpampiasa lalana hahay hanaja sy hikajy azy ireny satria fananana iombonana izy ireny.
Manitra Ramanantsoa
