SportTsidika

Tsy handray anjara amin’ny fiadiana ho tompondakan’i Afrika ny AS Adema

Misedra fahasarotana ankehitriny ity ekipa ity. Niala tsy hiara hiasa amin’izy ireo intsony mantsy ny mpanohana azy ireo. « Sahirana mitady fanampiana ny tompon’andraikitr’ity ekipan’Analamanga ity » raha ny loharanom-baovao tsy nitonona anarana. Sarotra ny hitondra ity ekipa ity any amin’ny ampahavalon-dalàna sy ny hiatrehany ny taom-pilalaovana 2022 raha tsy misy orinasa mpanohana hoy izy hatrany.

Noho izany, tsy mety hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’Afrika ny AS Adema. Raha tsiahivina nefa dia nobata ny amboara ny tompondakan’i Madagasikara ny volana lasa teo ny ekipa. Efa nandrobaka amboara maro ihany koa nandritra izay 29 taona nisiany izay ary tsy mbola niala an-daharana nandritra izay. « Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo orinasa vaventy izahaymba hanohana anay » hoy ny mpilalao sy ny tompon’andraikitra ao amin’ny ekipa. 

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire