Nodiovina ny toeram-piantsonana eo Ampefiloha
“Hiara hidinika ny fampandrosoana ny tanàna isika” hoy i Naina Andriantsitohaina, ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, nandritra ny fandehanany teny Ampelifoha niaraka tamin’ny ekipa mpandamina sy mpandrindra toeram-piantsonana. « Ahoana ny fintantana ny toerana hadio sy ny tamberim-bidy amin’ny hetra » kosa hoy ny fanontanian’ireo mponina tamin’ny ben’ny tanàna ary namely izy fa ho dinihina amin’ity herinandro ity miaraka izany.
Noesorina nandritra ity hetsika ity ireo fako teny an-toerana sy ny manodidina izay notanterahina niaraka tamin’ny SMA. « Efa nandamina mialoha ny asa izahay mba hampandrindra ny asa » hoy ny ao amin’ny polisy kominaly. Ankehitriny dia mazaka fiara 200 eo ny toerana. Ny DTMU kosa no niandraikitra ny fandokoana ny faritra mitsinjara ny toeran’ny fiara.
Hasina Rasamimanana
