SocialTsidika

Faritra Atsimo : Omby miisa 7 no tafaverina

Efa miha hita ny ezaka ataon’ireo zandary amin’ny ady amin’ny fangalaran’omby.  Raha omby efa 509 no tafaverina tamin’ny tompony ny volana jona teo izay mitsinjara 300 tao amin’ny alan’Analalava, fokotany Antanimary, kaomina ambanivohitr’Ambatomivary, distrika Betroka ary 209 tao Ankilimary izay eo anelanelan’i Tomboarivo Amboasary-atsimo Anôsy sy Imanombo Ambovombe-Androy dia mbola natafaverina 7 indray izy ireo tao Namorona, Kaominina ambanivohitra Fihaonana, Distrikan’ny Tsiroanimandidy.

« Niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ny dahalo ny miaramila vao nandre ny fanairana nataon’ny fokonolona » hoy ny hafalian’i Arthur, tompon’omby tafaverina. « Efa tsara ny ezaka ataon’izy ireo » hoy hatrany izy. « Efa nisy fifandonana mahery vaika teo amin’ny roa tonta vao vaky nandositra ireo mpanao asa ratsy » hoy ny fanazavan’ireo zandary.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire