Tsy ny omby ihany no robaina fa ny trano koa dia vakiana mihitsy any Bongolava
Anisan’ny fata-daza amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ny any Bongolava tato ho ato. Velon-taraina ny mponina ary mangataka ny tokony hanafoanana izany satria lasa tsy amndry andro tsy mandry alina izy ireo.
Ny halatr’omby no tena nampalaza an’i Bongolava ary nihitatra izany ankehitriny satria betsaka indray ireo vaky trano izay akana izay kely voatahiry. « Taloha raha ny omby ihany no alain’ny dahalo na mivoha mibanabana ary ny trano fa ankehitriny lasa mamaky trano mintsy ny olon-dratsy » hoy i Anjara Rakotoniasy tao amin’ny fandaharana miara-manonja. « Hita miha mahantra ny vahoaka ka tsy mifidy izay atao hahazahoana vola hamidy sakafo » hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray manoloana izao tsy fandriam-pahalemana any Bongolava izao. « Izahay tsy manana omby kanefa mbola misy mandalo ihany, izahay tsy mpanan-karena fa izay kely mba hanana indray no hongotana aminay, ho aiza ny hiafaranay eto » hoy i Jean, mponina ao Tsiroanomandidy. Tsy mandry fahalemana ny vahoaka, ny vidim-piainana miakatra manginy fotsiny. Mbola lavitra ny fandrosoana, mila ezaka goavana vao ho tonga amin’izany, saingy ny ezaka isan’andro no manome ny ho avy tsara ho an’ireo taranaka rahatrizay.
Nicole Rafalimananjara
