SportTsidika

Tonga ireo mpilalao Rugby Malagasy niatrika ny lalao hanavotana amin’ny lalao olimpika

Faharesena in-telo no azon’ny Malagasy teo amin’ny taranja Rugby nandritra ny fifaninana natao tany Monaco. Faharesena no azo nandritra ny lalao telo raha nanatombo foana ny an’ireo mpifanandrina. Tsy azo araka izany ny tapakila hiatrehana ny lalaon’ny nosy any Tokyo noho izany faharesena izany. Nigadona ny tolakandron’ny alarobia 23 jona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Ladies Makis 7s avy any Monaco izay avy niatriaka ny « Tournoi de Repêchage » ho an’ny lalao olimpika hotanterahana any Tokyo amin’ny volana jolay izao.

Efa ezaka ireny na dia hita aza fa mbola zaza vao ao anatin’ny taranja iraisam-pirenena isika, tsara tohizo ny ezaka ary natao anitsiana ny zava-bita hoy ireo mpankafy Rugby eto Madagasikara. Tonga nitsena azy teny ny filohan’ny Malagasy Rugby. Natao anitsiana tokoa ny faharesena tahaka izao fa tsy naato hahakivy akory. Mila tohizana mandrakariva ny ezaka ary tsy mijanona raha tsy tratra ny tanjona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire