Asa fanadiovana eny Ambodin’Isotry
Mitohitohy sy matetitetika ny asa fanadiovana ny tanànan’andrenivohitra amin’izao fotoana. Maro ireo faritra efa nisitraka izany na fitaovana na asa mivantana mihitsy. Anisan’ny tafiditra sady singa iray mandrafitra ny fampandrosoana ifotony ny fahadiovana sy ny fanatsarana ny tanàna. Ao anatin’izany indrindra, nikarakara fanadiovana faobe ny tanànan’Ambodin’Isotry nanomboka ny 16 jona lasa teo ary androany vao mifarana.
Ny mponina eny an-tanàna ihany no hiandraikitra ny fanadiovana izay hiarahana amin’ny CUA. Olona manodidina ny 50 no hisahana ny fanadiovana tatatra mirefy 350m. Mazava ho azy fa tanjona ny hitazonana ny fahadiovan’ny tanàna fa indrindra ihany koa ho fitsinjovana sahady ireo mponina amin’ny fotoab’ny fahavaratra izay mampiakatra ny rano. Hisy ihany koa ny fanamboarana tatatra eny amin’iny toerana iny ihany amin’ny fotoana manaraka araka ny fampitam-baovao. Raha manana finiavana toy izany avokoa ny rehetra amin’ny faritra eto andrenivohitra, mety ho resy ihany ny loto miparitaka sy ny rano miakatra eto andrenivohitra.
Ally Herisoananahary
