ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana

Mirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ankoatra ny fanafihana tokatrano sy ny tsena nisesisesy tao an-toerana, misy ihany koa ny hala-botry sy ny fanendahana anelakelan-trano amin’izao fotoana izao. Mitaraina ireo mponina araka izany, ary manao antso avo manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana.

« Tsy mifidy hangalarana sy hanendahana intsony ireo olon-dratsy fa na fitafiana na kojakoja na fananana dia alain’izy ireo avokoa » hoy i Avotra, mponina ao Ambohimangakely.

« Anisan’ny antony iray mampirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana ny fahamaroan’ny olona. Rehefa mitombo ny olona amin’ny toerana na fokontany iray kanefa tsy ampy ny sehatra hivelarana sy ny asa dia tonga ho azy ny tsy fahandriam-pahalemana » hoy i Tolotra mpahay fiaraha-monina.

Manainga sy manentana ny tomponan’andraikitra moa ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely mba hijery akaiky ny zava-misy, indrindra hanetsika ireo polisy kaominaly sy ireo hery velona mba entina miady amin’ny tsy fahandriampahalemana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire