Côte d’Ivoire : Ny fiverenan’i Laurent Gbagbo
Niandry am-pitoniana hatrany ny fahatongavan’ny mpitarika azy ireo mpanara-dia an’i Laurent Gbagbo. Folo taona izao no tsy nahateo an-tanindrazana an’ity filoha teo aloha ity noho ny raharaham-politika nanenjehana azy tamin’ny 2010 ary niakaran’i Alassane Ouattara teo amin’ny fitondrana, raha ny martsa 2021 teo no nomen’ny fitsarana iraisam-pirenena fahafahana tany La Haye. Velom-bolo indray ireo mpanao politika any Côte d’Ivoire indrindra ireo mpikambana ao amin’ny antoko Front Populaire Ivoirien na FPI izay antoko natsangan’i Laurent Gbagbo amin’izao fahatongavany an-tanindrazana izao indray. Efa nanomboka ny 8 may ihany koa no nigadona tany an-toerana ny Sekretera Jeneralin’ity antoko ity, Nestor Dahi. Hitohy hatrany ny politika ho an’ny firenena mba hanjakan’ny Demokrasia hoy ity Filoha teo aloha ity. Ary ho hatsangana indray izany politika izany nandritra izay 30 taona izay amin’ny alalan’ny fanatambarana ireo mpanao politika maro.
