ActualitésTsidika

Nampisahotaka ny resaka AstraZeneca Covishield

Nanomboka niteraka tebiteby indrindra ho an’ireo nahavita vaksiny ny filazana navoakan’ny Frantsay mikasika ny vaksiny Covishield. Tsy mahazo miditra ao France mantsy raha tsy olona vita vaksiny ary vaksiny azo antoka izany fa ny covishield dia tsy ao anatin’ireo vaksiny afaka miditra ao France, raha ny resaka nataony.

Gaga sy talanjona ny Minisitry ny fahasalamany araka ny filazany. Ain’olona anefa no miankina ao kanefa inona no tsy naneken’ny Frantsay ny covishield kanefa nirahirain’ny Minisitera mihitsy fa efa neken’ny OMS izany ary miaro amin’ny aretina indrindra ny Variant Afrika Atsimo ?

Ny vaksiny covishield izay nomena na’i Madagasikara tao anatin’ny Initiative Covax dia niarahana tamin’ny OMS hoy hatrany ny Minisitra, Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Tany am-piandohana aza dia nitsena io vaksiny io teny amin’ny seranam-piaramandina ny vondrona Eoropeanina miasa eto sy ny masoivoho hafa, niaraka tamin’ny rafitry ny Firenena mikambana hoy hatrany ny fanazana’ny Minisitra. Fiarovan-tena ve sa tsy fahaizana mamantatra tsara ny vaksiny mety ? Manodidina ny 150 000 no fantatra fa vita vaksiny tamin’io covishield io, ary eo ho eo amin’ny 100 000 ny vaksiny ambiny, raha efa nifarana omaly ny daty farany azo hanaoavana ny sasany, raha toa ka ny 30 jona ny sasany.

« Matahotra sy mitebiteby ny amin’ny vokany aho, hivoaka any ivelany manko no tena tanjoko tamin’ity fanaoavam-baksiny ity kanefa izao indray aza ny vaovao navoakan’i Frantsa », hoy i  Illona, mpianatra amin’ny lycée. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mbola tsy niroso tamin’izany ka nilaza hoe : « Izao mihitsy no efa nahiako fa tsy maintsy misy olana io, tsy terena fa an-tsitrapo hoy ny fanentanana kanefa milaza indray ny Minisitera fa ilaina ny fanaovam-baksiny, tsy fantatra izay marina ary misy fanazavana tsy feno ao ambadik’izany ».Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire