ActualitésTsidika

SSMAF Ambohimangakely: Hisy ny lalao hifanandrinan’ny samy orinasa

Maro ny sehatra sy ny lalao afaka handraisana anjara mandritra ity SSMAF andiany fahatelo ity. Hentanina manokana amin’izany ireo orinasa na fikambanana misehatra ao anatin’ny Kaominina Ambohimangakely indrindra indrindra. Maro ireo lalao azon’izy ireo handraisana anjara mandritra ity SSMAF ity.

“Misy ny lalao sy taranja natokana ho an’ireo orinasa manokana. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa araka izany ny orinasa tsy hanavahana raha mahavondrona ny ekipa izy ireo. Misy ao anatin’izany ny lalao an-tarika ary ao ihany koa ny lalao ho an’olon-tokana. Misy ireo varotra sy fampirantiana hahafahana mandray anjara ihany koa mandritra ny SSMAF”, hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

Fotoana iray natao hampahafantarana ny orinasa ny SSMAF. Ankoatra izany dia fotoana ihany koa natao hampitomboana mpanjifa amin’ny alalan’ny fahitan’ny olona azy. Tsy ambakan’izany ko anefa ny fampiroboroboana ny fifandraisana misy eo amin’ny mpiasa tsirairay. Maro araka izany ny tombony tokony ho sitrahan’ny orinasa mpandray anjara amin’ity SSMAF ity.

Araka izany dia fanararaotra ho an’ny orinasa rehetra ny SSMAF izay hotanterahina ny 15 jolay hatramin’ny 16 septambra 2023 ho avy izao. Tsy ny orinasa irery fa mbola antsoina ihany koa ny olona tsirairay hanamafy ny fandraisany anjara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire