Torohevitra : Manampy ny hery fiarovana amin’izao andro mangatsiaka izao ny ravintsara
Ankoatra ny ody sery sy ny kohaka, ny fanaovana evoka isan-karazany dia mbola maro be ireo tsara ho fantatra mahakasika ny ravintsara. Manana singa isan-karazany enti-miady amin’ireo mikraoba amin’ny vatana izy, ary manala ireo menaka ratsy na singa ratsy mahatonga aretina any anaty.
Miady amin’ny mikraoba ny ravintsara. Mampatanjaka ny hery fiarovana ary anisan’ny zava-maniry manan-karena « antioxydant » indrindra ihany koa. Ankoatra izay, azo hitsaboana fery ihany koa ny ravintsara, manasitrana aretin-kibo ary manampy amin’ny fandevonan-kanina.
Tsara araka izany ny misotro azy matetika, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny rininina izao satria manampy ny vatana hamokatra hery fiarovana ity zava-maniry ity ary misoroka aretina maro.
Manitra R.
