ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nirosoana ny fanalana ny fako tao Ambohitrarahaba

Namaly ny antso avy sy ny fitarainana nataon’ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina kaominina Ankadikely Ilafy, manoloana ny fivangoan’ny fako ao an-toerana. Ny faran’ny herinandro teo, nirotsaka an-tsehatra nanala ny fako sy nanadio ireo toerana nampimenomenona ny mponina izy ireo, raha ny voalaza.

«Aoka ho tandrovana sy mba hanaja ny fahadiovana hatrany ny rehetra satria anio alahady madio ny toerana ka tsy ho rapitso na afaka ampitso dia haloto sahady. Rehefa misy olana dia vahaolana arahana asa no tena tsara indrindra » hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

«Na Dia maro aza ny olana sedraina tsy maintsy ezahina tanterahana ireo asa. Mbola maro ireo tokony ho tanterahana ary tsy hijanona ny ezaka hanatontosana izany, izay aseho amin’ny asa hatrany fa tsy amin’ny fifanenjehana » hoy hatrany ny fanazavana.

Ny fanentanana ny mponina amin’ny fikajiana ny tontolo iainana manodidina azy sy ny fanadiovana no zava-dehibe ary tokony hanaovana vaindohan-draharaha ao anatin’izao. Ilaina ny fanabeazana ny mponina indrindra ireo mpivarotra sy ny mpanary rano maloto ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire