ActualitésTatitra

La Réunion : Mpamboly 80 isa no hisitraka fiofanana fambolena « chanvre »

Ara-dalàna tsara ny fambolena « chanvre » ao amin’ny nosy La Réunion. Vao haingana nefa io sehatra io no nampidirina tao amin’ny nosy ka mbola tojo fahasahiranana. Manoloana izany dia mikarakara fiofanana in’efatra miantaona ny tompon’andraikitry ny fambolena sy ny fikambanana Chanvre Réunion mba hisarihana ireo mpamboly.

Avy amin’ny « chanvre » no ahazoana ny CBD izay miasa betsaka amin’ny fitsaboana. Miroborobo ny famarotana izany ao amin’ny nosy saingy saingy mivarotra vokatra nafarana ireo mpivarotra noho ny tsy fikatosan’ny famokarana ao an-toerana. Hanomboka amin’ity herinandro ity kosa ny fiofanana raha ny fanazavana ary mpampoly 80 isa no handrasana amin’izany.

Laisser un commentaire