ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitohy ny fanaraha-maso ataon’ireo polisy kaominaly eny amin’ny tsena

Taorian’ny fidinana ifotony, nanaovana ny fanentanana ho an’ireo mpivarotra teny Mahazo, ataon’ny polisy kaominaly sy ny kaominina Ambohimangakely, dia nitohy tamin’ity herinandro ity ny fanaraha-maso nataon’ireo tomponandraikitra.

« Ao anatin’ny fandaminana napetraka dia natao ny fanaraha-maso tety anivon’ireo mpivarotra. Ao anatin’ny fampanarahan-dalàna sy ny fampanarahana ny fenitra azy ireo ihany koa izany » hoy ireo polisy kaominaly.

« Ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fampanarahan-dalana no mampisy ny gaboraraka. Zava-dehibe tokoa ny fandaminana sy fanaraha-maso toy izao ka hirariana mba hitohy hatrany fa tsy handalo fotsiny ny hetsika  » hoy i Jocelyne, mpivarotra.

Toerana maro mpivezivezy ny eto Mahazo. Ilaina tokoa ny fandaminana ety an-toerana, indrindra ny mahakasika ireo mpivarotra. Anisan’ny manohitohina ny fivezivezena izany raha tsy misy ny fandaminana.

Laisser un commentaire