SocialTatitra

Afrique du Sud: Olona 30 no maty tao anatin’ilay fianjerana trano

Trano lehibe iray, izay nahitana efitra 42 no nirodana tany Afrika Atsimo. Olona manodidina ny 30 no namoy ny ainy tao anatin’izany ary 22 ireo tsy hita popoka. Nahazo alalana hiorina ara-dalàna ity trano ity. Tsy fantatra mazava ny anton’ny firodanana. Ny herinandro teo, efitra dimy tamin’ity trano no efa nirodana. Nisy olona 86 tao anatiny tamin’izany. Nitohy hatrany izany faharodanana izany ka nampitombo ireo niharam-boina. Nisy ireo naratra sy avotra soa aman-tsara ankoatra ireo. Natokana ho andro fisaonana tamin’ny alatsinainy teo tany amin’ity firenena ity noho izao tranga izao.

Laisser un commentaire