Ankadikely Ilafy : Manatanteraka fanadiovana faobe ny Kaominina
Mitohy hatrany ny fanadiovana ataon’ireo mponina ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy manerana ny fokontany ao anatin’ny Kaominina. « Tanana madio maha te-honina, lavitry ny aretina » no tarigetran’izy ireo mandritra izany fanadiovana faobe izany izay tarihan’ny mpiasan’ny kaominina sy ireo rantsa-mangaika eny anivon’ny Fokontany ary ny CC Wash.
« Rehefa madio ny tanàna dia miditra ho azy ny fandrosoana, tsy tian’ny fandrosoana ny tanàna maloto satria tsy maha te honina rehefa maloto » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina. « Tsara mihitsy ny tahaka izao, efa hay foana mantsy ny hoe mila madio fa ny asa tahaka izao no tena manamafy azy mba hilatsa-paka ao an-tsain’ny mponina » hoy ny CC Wash.
« Ilaina foana ny fahadiovana indrindra mba hampiavaka anay amin’ny Kaominina Hafa, rehefa madio mantsy dia ho be ny mpitsidika sy mpitsiriritra ka maka tahaka ho azy ny ataonay » hoy i François, mponina ao Manjaka. Tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana ny tsirairay, ny Kaominina dia mpanentana fotsiny ihany fa ny vahoaka no tena tokony hanao ny asa ary hiara-hisalahy hitazona ny fahadioavana.
Rehefa madio dia salama, ary rehefa salama afaka miasa sy misaina tsara, rehefa miasa avokoa ny olona dia handroso ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
