ActualitésTsidika

Androy : Efa miasa ny « Clinique mobile »

Manomboka miasa ny « clinique mobile » na ny fiara fitsaboana any amin’ny faritra Androy.

Fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) izay vatsian’ny governemantan’i Japon ity tetikasa TOLISABO ity.

Misedra olana amin’ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana ny mponina any an-toerana ka hitandroana ny fahasalamana ara-pananahan’ireo vehivavy sy ny fandrindram-piterahana no anton’izao. Marihina fa tsy andoavam-bola ny ekôgrafia, ny vaksiny, ny fitiliana IST/VIH, sy ny karazana fandrindram-piterahana ao anatin’izany.

Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, mandeha tongotra lavitra ny olona mitondra ny marary na ny bevohoka miala any amin’ny tanàna. Manaraka etsy andaniny ny tsy fampian’ny fitaovana ampiasain’ireo mpitsabo.

« Sahirana ny vehivavy mitondra vohoka aty Androy. Lavitra ny toeram-pitsaboana, lasa kamo izy ireo mandeha misafo sy manraha ny toe-pahasalamany » hoy ny mponina tany an-toerana. Raha ny filazan’i Erica, mpianatra ho mpitsabo kosa, « Anisan’ny mahabetsaka ny zaza teraka any Atsimo ny tsy fahafantaran’ny mponina ny tena antony tokony anaovana ny fandrindram-piterahana sy fanantonanana tobi-pahasalamana. Tsy maharisika an’izy ireo izany fa toy ny hoe zavatra mampatahotra. Tsy vitan’ny hanatsara ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity tetikasa ity fa tena hampirindra ny fiainan’ny mponina mihitsy ».

Tsy ny any atsimo ihany, fa marobe ireo toerana tokony asiana ity « clinique mobile » ity. Indrindra ireo toerana ambanimbanivohitra. Anisan’ny antony lehibe izay manakana ny vehivavy hanantona ireny toerana ireny tsinona ankoatra ny fahalaviran-dalana sy tahotra dia ny tsy fahalalana fa ilaina ny fanaraha-maso ny reny sy ny zaza. Efa ezaka lehibe ity fanisiana fiara mivezivezy ity fa kosa eo amin’ny fampahafantarana no tokony hamafisina tsara. Raha toa ka misy ary ilay « clinique mobile » kanefa tsy hain’ny olona ny antom-pisiany, moa hanantona ao ve ny olona ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire