Tolotr’asa mitaky traikefa folo taona : ahoana ny hoavin’ireo tanora ?
Tanora valo ambin’ny folo taona, manana traikefa folo taona avokoa no ilain’ny orinasa.
Anisan’ny antony iray lehibe mahamaro ireo tanora tsy an’asa ny fitakian’ireo orinasa traikefa efa aman-taonany maro amin’ireo mpitady asa. Tsy mahagaga arak’izany raha marobe ireo tanora nahavita fianarana no mirenireny fotsiny eny rehetra eny.
Nitondra fanazavana mahakasika izany indrindra ny talen’ny orinasa lehibe iray eto Antananarivo : « Misy asa tsy mety raha olona vaovao amin’ilay sehatra mihitsy no manao azy satria iankinan’ny fandehanana sy fampiroboroboan’ny orinasa iray manontolo. Tsy resaka fanavakavahana na tsy firaharahiana ireo tanora vao misondrotra akory izany fa kosa fampivoarana ny orinasa iray manontolo mihitsy ».
Marobe ireo tanora vao nahavita fianarana no tsy mbola miasa, tahaka an’i Rojotiana : « Tsy mbola mahita asa mifanaraka amin’ny sehatra nianarana mihitsy aho satria rehefa vakiana ny tolotr’asa dia mitaky olona efa niasa dimy taona ny orinasa kanefa izaho vao mpianatra nivoaka mihitsy ». Misy ihany koa ireo milaza fa mirona any amin’ny fanaovana « call center » avokoa ny ankabeazan’ny tanora ankehitriny satria any no tsy mila traikefa kanefa dia anisan’ireo lohalaharana tamin’ny fianarana nataony ihany ny ankizy tany amin’ny oniversite. Lasa voa mafy ny ankizy nianatra sy namita fianarana kanefa ireo ankizy tsy mahafehy ny asa fa be traikefa fotsiny no mitana ny anjara asa.
Lasa mitarika ireo tanora hamorona asa kosa izy ity amin’ny lafiny iray, raha ny fanazavan’i Rakotoarisoa, mpampiofana amin’ny famoronana tetikasa : « Marina fa tsy mandray mpiasa tsy manana traikefa ny orinasa fa tsy tokony sakana ho an’ireo tanora amin’ny famoronan-kasa kosa izany. Efa betsaka ireo tanora ankehitriny vao roa amby roapolo taona monja, efa nahatsangana orinasa ho azy manokana. Misy kosa ireo misehatra amin’ny fivarotana amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera izay tsy hita izay maharatsy azy raha mahay misafidy tsara ny tolotra sy servisy ho amidy izy »
Maro tokoa ireo tanora mimenomenona manoloana ity tranga iray izay fanaon’ny ankamaroan’ny orinasa ity. Tsy tokony mijanona eo amin’ny resaka traikefa anefa ny sivana apetrakin’ny mpampiasa satria misy ireo manana traikefa kanefa tsy nilona tao anatin’ny fianarana sy fikarohana manokana momban’ny tolotrasa. Raha tsy handray ireo tanora vao misondrotra anefa ireo orinasa, anao ahoana ny hoavin’ny tanora Malagasy raha toy izao hatrany ny sivana ?
Tsangy Randriamampianina
