ActualitésSocialTsidika

Anosy Avaratra : Zazalahy 15 isa no vita hasoavana

Notontosaina tamin’ny alakamisy teo ny hetsika didim-poitra faobe, ho an’ity taona 2023 ity, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Zazalahy kely miisa 25 no voasoratra anarana tamin’ny hetsika, 15 isa kosa ireo tonga nanatanteraka izany ny andron’ny hetsika, araka ny voalaza.

“Hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona ny didim-poitra faobe. Tamin’ity indray mitoraka ity dia miisa 15 ireo zazalahy vita hasoavana teto an-toerana. Hisaorana ny mpitsabo niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ny hetsika, ary ihany koa ho an’ireo mpiara miasa rehetra eto amin’ny toeram-pitsaboana fototra eto Anosy Avaratra sy ny mpanohana tsy ankanavaka nahatontosa izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Fisaorana no ataolotra ny kaominina amin’ny ezaka ataony ka nahatontosana ny hetsika didi-foitra faobe androany. Tsy vitan’ny nananteraka izany maimaim-poana izy ireo fa ihany koa mbola nanolotra fanampiana sy fanomezana ho an’ny zaza. Tena anisan’ny nanampy anay ray amandreny manoloana ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao” hoy i Laza, raim-pianakaviana.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanampiana sy fanohanana ny mponina ataon’ny kaominina ny hetsika didim-poitra faobe tahaka izao. Nanditra izany mao dia notolorana malabary, kilalao ary bisikoitra ihany koa ireo zaza vita hasoavana ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire