SocialTsidika

Antanandrano Ankadikely Ilafy : Tanànan’ny mpanao vako-drazana

Fokontany iray miorina ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy izany atao hoe « Antanandrano » izany. Tsy lavitra fa tena akaiky ny renivohitra. 9km izy raha miala ny gara Soarano, ary zotra indray mandeha ihany tonga any an-toerana.

Tanàna ambanivohitra izy fa tsy misy mahasamihafa hafa azy amin’ny any andrenivohitra raha ny fivoarana no resahina, na dia misy amin’ny ampahan’ny mponina aza mamboly sy miompy ihany. Ny fisian’ny foto-drafitr’asalehiben’ny Jirama koa dia anisan’ny mampalaza ity fokontany ity.

Manana velaran-tany mirefy eo amin’ny 1,17 km2 eo ho  izy, ary ahitana mponina miisa 575 mahery eo ho eo. Anisan’ny voafaritra ao anatin’ny « zone agricole » izy eo amin’ny kaominina Ankadikely ilafy, ary ny 58% amin’ny mponina dia tanora avokoa.

Voahodidina fokontany maro izy, ary latsaka afovoany mihitsy. Manana tombony raha samy fokontany ao Ankadikely Ilafy izy, ary na dia tsy tena betsaka aza ny mponina no manao ny fambolena sy ny fiompiana ho fotom-pivelomana, dia mivelatra be ihany izany eo an-toerana. Raha ny fanazavan’ny sefo fokontany dia « anisan’ny toerana mpamokatra laisoa betsaka indrindra izy raha eto Antananarivo, ary misehatra amin’ny fiompiana ombivavy be ronono ihany koa ».

Nantsoina hoe « Tsiarondahy » ny mponina nandritra ny vanim-potoana faha-mpanjaka, ary nanana andraikitra be ireo mponina tamin’izany : mpampifalifaly mpanjaka ny olona tao an-toerana fahiny (mampiala voly). Raha ny fanazavan’i Freddy, mponina ao Antanandrano, dia « mpanao asa Tanana, ary manan-talenta, ny mponina ao Antanandrano. Ankoatra ny fanaovana asa tanana koa anefa dia manan-talenta amin’ny fampiravoravoana ny olona ireo mponina ao, indrindra fa ny mpanjaka mihitsy aza tamin’izany. Mandihy sy mihira manao vako-drazana ireo mponina ary mbola mitohy mandrank’ankehitriny izany ».

Raha nisy ny fifaninana tamin’io talenta vako-drazana io dia nahazo toerana ambony mihitsy ny ankizy avy ao Antanandrano. Manana tekinika miavaka kely mihitsy mantsy ireto ankizy ireto. Ary maninona tokoa moa raha trandrahana izany talenta sy kolon-tsaina netim-parazana izany ?

Toy ny tanàna rehetra dia manana ny niandohany ny tanànan’Antananadrano. Ahitana mpanao biriky maro ihany koa eny an-toerana ary indrindra ao Ambohidrivohitra. I Zoly mpanao biriky teny mihitsy no nitondra fanazavana taminay momba ny niandohan’ny tanàna : « teny Ambohidrivotra no nitoeran’ireo Tsiarondahy tamin’ny andro fahiny. Rehefa vanim-potoana fahavaratra dia dibo-drano sy rendrika kely mihitsy ny tanàna. Nisy fotoana nandeha teny an-toerana mihitsy ny praiminisitra Rainilaiarivony, nandeha lakana izy ary nanome lalana ny mponina hifindra hiakatra ery ambonimbony. Noho ny fisian’ny rano be loatra no nahatonga ilay hoe « Antanandrano ». Ny mponina eo Ambohidrivotra kosa amin’izao fotoana dia miala eny mihitsy rehefa fahavaratra ny andro. Manjono sy manao biriky ny tena foto-piveloman’ireo mantsy ».

Eny Antanandrano koa no ahitàna ny toerana antsoina hoe « Andranotsiritra ». Tsy ritra mihitsy ny rano ao na amin’ny andro lohataona be aza. Rano kely anefa izy io. Rehefa niala avy eny Ambohidroa ny andriana dia tonga eny no manasa Tanana. Misy trondro koa ao an-toerana fa tsy azo kosa anefa ireo trondro ireo na alaina aza. Ny fisian’io rano io no nananganana ny doany iray tao an-toerana, izay manamarika ny fomba ao an-toerana. Misy vatomamy eo, ary mazava izany fa mbola misy mpanansina mandrak’ankehitriny.

Hita ao an-toerana koa ny fantsakan’i Rainiharo, izay mbola fantsakàna mandrak’izao fotoana. Ireo iraky ny mpanjaka tamin’izany fotoana no niala hetaheta teo, ary teo no nanomezana ny anaran’ny toerana hoe « Fantsakàn’i Rainiharo ». Izy mantsy no nanome io anarana io. Nisy nanasina teo taloha fa ankehitriny dia efa tsy misy intsony, ary lasa fakan’ny olon-tsotra rano izy io.

Tanàna mivoatra sy feno toerana mahafinaritra Antanandrano. Efa misy jiro sy rano izy, ary tongan’ny zotra fitaterana tsara izy. Raha hihazo any dia afaka mandray ny zotra 150 miainga eo Anosibe, ary mandalo amin’ny lalana maro ao an-drenivohitra, any amin’ny farany no misy an’Antanandrano ary 500 ar monja ny saran-dalana.

Toerana be rivo-drano madio izy amin’ny maha Antanandrano azy. Betsaka ny tany amidy eny ary lalana misokatra izany raha toa ka manana eritreritra hanangana tetik’asa eny an-toerana.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire