Anosy Avaratra: Nisitraka fampiofanana maimaim-poana momba ny fiompiana ny mponina
Nisy ny fampiofanana maimaim-poana izay nokarakarain’ny kaominina Anosy Avaratra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ho an’ireo mpiompy tao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Fampiofanana mahakasika ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina no natao nandritra izany.
“Solon-tena avy amin’ireo mpiompy tao anatin’ny fokontany miisa dimy mandrafitra ny kaominina no nahazo anjara nandritra ity fiofanana ity. Afa-po ireo mpandray anjara rehetra nandritra izany, na ireo mpiofana na ny mpampiofana. Hantenaina fa hitondra fivoarana ho an’ireo izany niofana izay noratovina nandritra izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Tena ilaina tokoa ny fiofanana tahaka izao. Ny fiompiana izay efa mivoatra manaraka ny fandrosoana ka misy ireo teknika tsara ho hay sy hampiharina mba hampivelatra io sehatr’asa io mba hahavelona sy hampiroborobo azy ihany koa. Hisaorana ny tomponandraikitra nanolotra izany maimaim-poana satria ilaina izany ho an’ny fampandrosoana” hoy i Vero, mpiompy.
Sehatra iray anisian’ny mbola mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatr’asa fivelomana ny fiompiana. Izany indrindra no mahatonga ny kaominina sy ireo fikambanana mifanolo-tanana ho fanampiana sy fanohanana ireo mpiompy, indrindra ny tanora amin’izany. Ny fikambanana AINA (Enfance et Avenir) moa no niara-nanolotra izao fampiofanana izao.
Manitra R.
