Arabie Saoudite : Lehilahy teratany amerikanina iray no nohelohina ho faty
Lehilahy teratany amerikanina iray no nohelohina ho faty tao Arabie Saoudite ny herinandro lasa teo. Antsoina hoe Bishoy Sharif Naji Naseef io lehilahy io ary noho ny famonoan’ny rainy tamin’ny fomba feno habibiana no antony namelohan’ny fitsarana azy ho faty.
Raha ny fanazavana dia novonoin’i Bishoy Sharif Naji Naseef, nampijaliany ary nokendainy ny rainy talohan’ny nandrasarasany ny razany. Fantatra fa nandray zava-mahadomelina ny tenany ary nikasa namono olona iray hafa ihany koa. Marihana fa isany firenena mampiasa ny sazy faran-tampony indrindra i Arabie Saoudite ary nitombo izany hatramin’ny nitondran’ny Mpanjaka Salman sy ny zanany Mohammed nanomboka ny taona 2015.
Tsy nanomezana fanazavana kosa ny fomba nanamelohana an’io lehilahy io saingy ny fanapahan-doha no fanao matetika ao amin’ny firenena. Tsy naneho hevitra betsaka manoloana ny tranga kosa ny fanjakan’i Etats-Unis. Nilaza ny mpitondra tenin’i Washington, Vedant Patel fa mahalala ny zava-misy izy ireo saingy tsy mahalala antsipirihany amin’izany.
