Ambohimanambola: Mitaintaina vokatry ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina
Miverina ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Ambohimanambola tato ho ato. Mandry tsy lavo loha ny mponina ny alina satria maro ireo mpivezivezy sy manakotaba ireo alika mpiandry tanàna amin’ny alina. Tokatrano iray no nisy nikasa hiditra ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ampahimanga ary novonoin’ireo olon-dratsy ny alika, araka ny voalaza.
“Tsy mandry fahalemana indray ny tanàna. Amin’ny 11ora alina no nisy nisaoty ny lavarangana, rehefa nihidy tamin’ny fanalahidy ny vavahady. Tamin’izay no nifanohitra tamin’ny alika ireo olon-dratsy ka nandrehitra jiro. Nitsoaka anefa ireo olon-dratsy kanefa maty ny alika efa maty no hita ny andro maraina” hoy ireo niharan’ny zava-nitranga.
“Tena manitra ny tomponandraikitra mba handray fepetra sy hanao ny asany ara-dalàna amin’ny fandriam-pahalemana fa tato ho ato izao tena mampatahotra ny fandriam-pahalemana. Ireo alika dia tsy mitsahatra ny mivovoa mafy isan’alina. Tsy manana antenaina hiaro afa-tsy ny mpitandro filaminana ny vahoaka” hoy i Lalao, mponina ao Ambohimanambola.
Marihina moa fa mbola mihatra sy manan-kery ny “couvre feu”, mandrara ny fifamezivezena amin’ny alina, manomboka amin’ny 09ora alina ka hatramin’ny 03ora maraina, izay napetraky ny tomponandraikitra ao an-toerana, entina hanamafisana ny fandriam-pahalemana ao an-toerana. Tsy ao amin’ny fokontany Ampahimanga ihany anefa no mitaraina sy mitaintaina amin’izao zava-misy izao, fa hatreny amin’ireo fokontany hafa manodidina.
Manitra R.
