Herinandron’ny mpandraharaha Ambohimangakely : Afa-po sy nankasitraka avokoa ireo mpanatrika
Nizotra tamin’ny an-tsakany sy an-davany hatrany ny hetsika ho an’ny mpandraharaha tany Ambohimangakely izay tafiditra ao anatin’ny « Global Entrepreneuriatship Week Celebration Avaradrano 2021 » ny 8 hatramin’ny 14 novambra.Betsaka ireo nanatrika ny fampiofanana tao anatin’ny « Herinandron’ny mpandraharaha » ny 8 hatramin’ny 12 novambra, ary nisy mihitsy aza ireo avy lavitra. « Ny fandrosoana tsy mijery halaviran-toerana. Handoa vola aza ho atao, maika fa maimaimpoana tahaka izao. Tena voandalana tsy ho voavidy vola mihitsy ny azonay taty » hoy i Fetra, isan’ireo nanatrika ny hetsika avy any Anjozorobe. « Tsy ampy ho an’ny tanora ny fanatanterahana ny nofiny fotsiny amin’izao, fa ilaina indrindra ny fisian’ny olona hitari-dalana azy mba hampirindra tsara ilay tetik’asa, ka isaorana indrindra ny BTC Ambohimangakely nanao ny hetsika toy izao » hoy i Ramampionona Jonah, mpandraharaha ao anatin’ny sehatra fizahan-tany, isan’ny nizara ny traikefa nandritra ny hetsika. »Aorian’izao hetsika izao dia tsy tokony ho olana ho an’ireo mpanatrika intsony ny tsy fisian’ny asa eto amin’ny firenena satria efa hanana ny orinasany manokana izy ireo ary hampivelatra ny sehetra ziay efa nirotsahany » hoy i Diamondra, mpikarakara ny hetsika GEW.Azo lazaina fa afa-po avokoa ny mpanatrika ny hetsika izay mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra no tena betsaka nanohina ny antso. Tsy hijanona hetreo akory ny fanampiana ireo tanora fa hitohy hatrany amin’ny alalan’ny hetsika rehetra ataon’ny BTC Ambohimangakely.
Nicole Rafalimananjara
