Niakatra ny vidin’ny kafe eny amin’ireo mpamongady
Lasa 14 000 Ariary ny kilaon’ny kafe amin’izao raha toa ka 10 000 Ar izany tamin’ny volana may lasa teo. Antony iray nahatonga izany fiakarana izany araka ny nambaran’ireo mpamongady dia noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ohatra amin’izany ny fahamainan’ny andro.
Olana iray hafa sedrain’izy ireo ihany koa ny mbola fisian’ny hamehana ara-pahasalamana ka tsy ahafahan’ireo vokatra miakatra mankany amin’ireo tsena lehibe eto an-toerana. Raha tsiahivina dia efa nisy izany fiakarana ny vidin’ny kafe izany tamin’ny taona 2018 ka nahatratra hatramin’ny 25 000 Ariary izany teto amin’ny tsena anatiny ary manodidina ny 3 500 Ariary hoan’ireo vokatra kafe ahondrana.
« Amin’izao fotoana izao, zary lasa misafidy ny hivarotra ireo vokatra eto an-toerana ihany ireo mpamokatra raha nanondrana izany foana teo aloha » hoy i Armand, mpivarotra kafe. « Izahay izao miankin-doha amin’ny kafe, tsy afaka miasa raha tsy misy kafe, ny fiainana anefa efa sarotra kanefa niakatra indray ity ny vidiny » hoy i Fano, mpisotro kafe.
Ny 1920 no tonga voalohany teto Madagasikara ny Kafe. Ny taona 1930 hatramin’ny 1960 no nanomboka namokatra sy nanondrana izany ho any amin’ny tsena iraisam-pirenena ary tafiditra tao anatin’ireo firenena mpanondrana Kafe afrikanina i Madagasikara tamin’izany. Ny taona 1990 anefa dia nisedra krizy ny famokarana kafe.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 1970 dia mbola nahavita nanondrana vokatra kafe nahatratra 62 000 taonina raha toa ka nidina izany ny taona 1980 ka lasa 58 000 taonina. Na dia niditra ho mpikambana tao amin’ny Fikambanana mpamokatra Kafe (Association des producteurs de café) aza i Madagasikara ny taona 1993 dia mbola nidina hatrany ny vokatra kafe ary mbola hita hatrany izany hatramin’izao. Hanao ahoana eo amin’ny tahan’ny mpisotro ny fiakaran’ny vidin’ny kafe ?
Sitraka Rajaonarivony
