SportTatitra

Espagne : Nandresy i Max Verstappen

Notanterahina omaly tao amin’ny kianjan’i Catalunya ny dingana faha-6  amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany amin’ny Formule 1. Niala an-daharana noho ny olana teknika i Charles Leclerc (Ferrari). Tsy sarotra tamin’i Max Verstappen (Red Bull) ny naka ny fandresena omaly tao Catalunya. 13 segondra taty aoriana i Sergio Perez (Red Bull, faharoa), ary 32 segondra kosa i George Russell (Mercedes, fahatelo).

I Max Verstappen indray izany izao no mitarika eo amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany (isa 110). Manaraka azy i Charles Leclerc (isa 104), ary fahatelo i Sergio Perez (isa 85). Any Monaco indray no atao ny dingana manaraka, amin’ny alahady ho avy izao.

Laisser un commentaire