Dépêches

Analaroa Anjozorobe : Vehivavy lehive iray voarohirohy amin’ny asan-dahalo

23 May, 11h00. Tratra tao an-tranon’i Kialovary, tao amin’ny tananan’Ambohinierenana Antsonjomena, kaomina Analaroa ny basimborona sy poleta vita gasy nandritra ny fisavana nataon’ny miaramilan’ny ZDS Ikopa. Ny angom-baovao no nahafantarana fa fanafenan’i Serifa, dahalo any amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny fitaovam-piadiany ity tranon’ny renibeny ity. Efa natolotra ny zandary hatao famotorana io vehivavy lehibe io. Mpanakanto Oboy : Natolony ho an’ireo marefo tao amin’ny Centre NRJ Andavamamba ny karama amin’ny diany eto Natolotr’i Oboy, ilay mpanakanto malagasy avy any ivelany ny karama amin’ny diany eto Madagasikara. Tonga nanotrona izany teny an-toerana ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny Madagascar Will Raise.

Laisser un commentaire