Ihosy: Natao birao vaovao ny Ministera
23 May, 09h00. Notokanana tamin’ny 21 May ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy sy fampiroboroboana ny vehivavy ao Ihorombe. Nanome toromarika manokana ny Minisitra tompon’andraikitra ihany koa ny Filoham-pirenena ny hihainoana sy handraisana ny hetahetan’ireo fikambanam-behivavy.
