ActualitésTatitra

France : Voarohirohy ho nanolana zaza tsy ampy taona i Jean-Luc Lahaye

Mpihira frantsay i Jean-Luc Lahaye, 69 taona. Voampanga ho nanolana sy nanao herisetra ara-nofo tamin’ny tovovavy latsaky ny 15 taona izy ny volana novambra 2021 teo. Tovovavy teraka ny taona 1998 sy 2000 no nitory azy tamin’izany ary nilaza ireo tovovavy ireo fa efa tamin’ny taona 2013 ny tranga.

Raha ny fijorona vavolombelon’iary tamin’ireo vehivavy ireo tamin’ity volana ity dia tany amin’ny « loge » sy ny « coulisse » no nisehoan’izany herisetra izany. Rehefa notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny enim-bolana i Jean-Luc Lahaye dia nivoaka ny volana may teo. Nanova ny fepetran’ny fitsaràna tao anatin’ny didim-pitondrana tamin’ny 4 oktobra ny mpitsara mpanao famotorana nisahana ny fanadihadiana. Hatreto kosa dia tsy mahazo miakatra an-tsehatra i Jean-Luc Lahaye.

Laisser un commentaire