ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Naseho ny mpiasa sy ny fiadidina eo anivon’ny kaominina ny kaomandin’ny brigady sy ny lefitra vaovao

Nandritra ny fitsidihana izay nataon’ireo lehiben’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena vaovao, voatendry hiasa ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, omaly, naseho tamin’ireo mpiara-miasa rehetra tao amin’ny fiadidina ny kaominina ihany koa izy ireo nandritra ny fotoan’ny fananganan-tsaina. Araka ny voalaza, nisy avy hatrany ny atrik’asa sy fanatsarana mahakasika ny fifamovoizana sy ny fandriam-pahalemana nandritra izany.

« Ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fomba fiasa ao anatin’ny kaominina, ilaina ny mijery ireo sehatra tena mampijaly ny mponina ary mitondra vahaolana amin’izany, izany mba hiavahana amin’ireo asa efa nisy teo aloha » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

« Efa maro ireo olona no mitaraina mahakasika ny fomba fiasa eny anivon’ny kaominina, indrindra amin’ny fikarakarana taratasy sy ny resaka fandriam-pahalemana. Manantena fiovana sy fandraisana andraikitra araka izany ireo mponina » hoy i Lalaina, mponina ao Ambohimangakely.

Ilaina ny fitondrana fanavaozana ao anatin’ny fitantanana ao anatin’ny kaominina, mba hiavahana amin’ireo ambaratonga mpitantana efa nisy teo aloha. Ilaina ao anatin’izany ihany koa ny fampandraisansa anjara ny vondrona sy ny isambatan’olona ary tokony hita taratra amin’ny asa atao izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire