ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy iray no nikasa haka an-keriny vehivavy 24 taona tao anaty toeram-pikotranana

Vehivavy iray antsoina hoe Nashali Alma, 24 taona no saika nisy naka an-keriny tao amin’ny toeram-pikotranan’ny toeram-ponenany tao Tampa, Floride. Ny 22 janoary teo no niseho ny tranga. Rehefa nikotrana irery i Nashali Alma dia nisy lehilahy 25 taona nanantona azy ary avy hatrany dia nitolona azy. Niezaka nanohitra kosa ilay vehivavy ka tafatsoaka, ary niafina tao anaty efitra iray.

Noho ny horonanatsary tamin’ny « caméra de surveillance » kosa dia vetivety ihany dia voasambotra io lehilahy saika naka an-keriny an’i Nashali Alma io. Thomas-Jones no anaran’ny lehilahy ary mpanofa ao amin’ilay toeram-ponenan’i Nashali Alma ihany kosa izy. Efa voasambotrra moa ny tenany ary tanana am-ponja vonjimaika.

Laisser un commentaire