SocialTsidika

Ambohimangakely : Mangataka ny hamerenana indray ny tsenan’Alakamisy ny mponina

Miantoka betsaka ny fiainan’ny tantsaha kanefa nakatona ny tsenan’Alakamisy Ambohimangakely. Tsy izay ihany fa isan’ny mampalaza sy mampiavaka ny tanàn’Ambohimangakely izany. Nahoana izay hita fa tsara no esorina indray kanefa fampandrosoana no tanjona. Mangataka ny hamerenana indray io tsena ao Alakamisy atao isaky ny alakamisy io ny vahoaka any an-toerana indrindra ireo tantsaha.

« Sao dia tokony mila fiheverana ihany ny famerenana ny tsenan’Alakamisy isaky ny alakamisy satria ny tantsaha efa tsy mahazo tsena isan’andro ihany kanefa mila vola, tsy misy tsena mba hamarotany ny vokatra ihany koa satria ny mpiantoka no tena mahazo laka amin’ny tsena an-davanandro » hoy i Bako, mponina any an-toerana. « Ny lanja ara-tantara an’io tsena io no tena zava-dehibe amin’ny tokony hamerenana azy satria lasa angano sisa no ho tantaraina amin’ny taranaka any aoriana any raha izao no mitohy kanefa mba naneho ny maha an’AMbohimangakely an’Ambohimangakely » hoy i Bruno, mpahay tantara. « Ny tsena dia isan’ny mitarika ho any amin’ny fampandrosoana noho izy manome sehatra ny mpamokatra ary mampifandray azy amin’ny mpanjifa, mila omena lanja eto amintsika io satria efa betsaka no misehatra ao amin’izany sehatry ny varotra izany eto amintsika » hoy i Gerald, mpahay toe-karena.

Iza no tsy mahalala ny tsenan’i Mahamasina rehefa Alakamisy dia toy izany koa ny tany Ambohimangakely taloha. Manome lanja ny toerana iray ny fisian’ny tsena satria misy olombelona mivezivezy. Ilaina tokoa ve ny hamerenana io tsenan’Alakamisy Ambohimangakely io ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire